- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBerivotra 5/5-Maevatanàna : Lavon'ny balan'ny Zandary i Rôla, dahalo raindahiny

Berivotra 5/5-Maevatanàna : Lavon’ny balan’ny Zandary i Rôla, dahalo raindahiny

Nifarana tamin’ny Alahady faha 14 Aprily 2024 teo ny asa maloto fanaon’i Rôla, izay dahalo raindahiny amin’ny hatr’omby sy fanafihana ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tamin’io andro voalaza etsy ambony io no nisy nahatsikaritra tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5 ilay dahalo antsoina hoe: Rôla, tokony teo amin’ny enina ora maraina teo izany, mbola ampikonokononana hanao fanafihana indray ny lehilahy. Saingy nahazo antso ara-potoana ny Zandary ao amin’ny  » Poste fixe Berivotra 5/5, no nihetsika avy hatrany, amin’ny maha olon-dratsy azy anefa, tonga dia niiefa ny mpitandro ny filaminana izy, na efa nomena fampitandremana aza. Teo indrindra no tsy nisalasala nitifitra ireo Zandary, ka maty lavon’ny bala ity farany. Raha hijerana sy hitanisana kosa ny asa maloto vitan’i Rôla, izay hanan’ny Zandariam-pirenena eto Betsiboka porofo, ireo raharaha nanenjehana azy, dia ireto avy: Nenjehana ny raharaha halatra sy fanimbana fananan’olona ny faha 09 Febroary 2024 teo, nandray anjara tamin’ny fangalarana omby 11 ny 26 Septambra 2023, isan’ny nandray anjara amin’ny halatra omby 17 tao amin’ny fokon’Antsohery, kaominina ambanivohitra Tsararano ny Desambra 2023, nandray anjara tamin’ny fanafihana niseho maromaro tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mangabe ihany i Rôla. Mivondrana ao anatin’ny fikambanan-jiolahy sy mpitarika andian-dahalo ihany koa ny lehilahy. Santionan’ny amin’ny  » dossier » maloto, an’io jiolahy raindahiny io, ireo voalaza ireo. Mitohy kosa ny fikarohana ny namany ataon’ny Zandary. Raha fahaiza-manao arak’asa madio ny an’i Rôla jiolahy raindahiny, dia mety tsy niafara tamin’izao fahafatesana izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici