- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBeroroha : Fanafihan-dahalo, olona enina maty, am-polony maro naratra mafy

Beroroha : Fanafihan-dahalo, olona enina maty, am-polony maro naratra mafy

Olona enina be  izao indray no namoy ny ainy, ary am-polony ny naratra mafy. Izay no vokatry ny fanafihan-dahalo in-droa misesesy tany amin’iny distrikan’i Beroroha iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tanàna roa samihafa tany an-toerana no nisian’ireo fifandonana maherivaika, namoizana ain’olona ireo. Ny sabotsy teo, tao Antanandava, dahalo telopolo lahy no nanafika an’io tanàna, ary rehefa nanara-dia ireo zandary,  miaramila, ny fokonolona mpiray dina ary ny Jamà dia raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Jamà telolahy no lavon’ny bala, ary nisy tamin’ireo fokonolona nanara-dia no naratra. Ny ampitson’io indray tany Maromiandra, olona telo nitondra basy no avy hatrany dia nitifitra ireo Jamà mpiambina ny tanàna. Vokany telo tamin’ireo mpiambina ireto no namoy ny ainy vokatry ny tifitra, ary ny roa hafa naratra mafy izay efa nalefa eny amin’ny toeram-pitsaboana. Efa nidina tany an-toerana moa ireo zandary any amin’iny faritra iny, nanokatra ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici