- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversBeroroha : Fanafihan-dahalo, tafakatra 31 ireo olona namoy ny ainy

Beroroha : Fanafihan-dahalo, tafakatra 31 ireo olona namoy ny ainy

Fatiolona mikararana. Tafikatra 31 ireo olona namoy ny ainy vokatr’ilay fanafihan-dahalo, niafara tamin’ny fivadihan’ny fiarabe mpitatitra olona, na ilay antsoin’ny maro hoe “Bilomalaza” na karandalana, teo amin’ny sampanan’i Berenty, mihazo ny distrikan’i Beroroha, ny talata lasa teo. Antontan’isa farany nomen’ny zandary, raha  nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Ambonin’ireto olona am-polony maro namoy ny ainy, izay nahitana zazakely 10 ary vehivavy sivy, fa teo ihany koa ny fisiana zandary mpiana-draharaha iray sy dokotera mivady, dia fantatra fa manodidina ny 17 ny isan’ireo naratra, izay efa samy nentina tany amin’ny hôpitaly tao Ankazoabo avokoa. Nisy vola nahatratra hatrany amin’ny 7 tapitrisa ariary teo no lasan’ireo malaso. Raha tsiahivina ny zavatra nitranga tamin’io andron’ny talata io, araka ny vaovaon’ny zandary, dia dahalo nahatratra teo amin’ny 70 lahy teo, samy nirongo basim-borona no efa niomana ny hanakan-dalana sy handroba izay sendra nandalo tamin’iny lalana mampitohy an’ Ankazoabo sy Beroroha iny. Ny maraina dia fiara tsy mataho-dalan’ny miaramila no saika lasibatr’ireto olon-dratsy. Afa-niala ny sakana nataon’izy ireo anefa ireto miaramila ireto saingy kosa tsy nanaiky iretsy malaso raha tsy niresaka ny basy teny amin’izy ireo, niampy tora-bato. Vokany telo tamin’ireo tao anatin’ilay fiara no naratra mafy. Ny antoandro, nandalo ity fiarabe mpitatitra olona, hany taxi-brousse afaka amin’ny haratsian-dalana any amin’iny tapany Atsimon’ny nosy iny. Saika hipoka olona sy entana tanteraka, itony kamiô navadika ho lasa fitaterana olona itony any amin’iny faritra. Noho izay indrindra no nikendren’ireo malaso ny kodiarany. Nivadibadika ity taxi-brousse ity, ary mbola narahan’ireo olon-dratsy tifitra variraraka, antony nampikararana ireto olona namoy ny ainy. Efa tafakatra ao Ankazoabo atsimo avokoa ny vatana mangatsiakan’ireto farany, raha ny vaovao voaray. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana sy ny fanamafisana ny fandriampahalemana any an-toerana, araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Fantatra mantsy fa nandefasana mpitandro filaminana, miaramila sy zandary avy any Toliara, maromaro any Beroroha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici