- Publicité -
dimanche, août 30, 2026
AccueilFaits-DiversBeroroha : Fanafihana taxi-brousse, olona sivy indray nosamborina

Beroroha : Fanafihana taxi-brousse, olona sivy indray nosamborina

Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, taorian’ilay fanafihana mitam-piadiana, namoizana ain’olona am-polony tany amin’iny distrika Beroroha iny. Fantatra ary fa nisy olona sivy indray nosamborin’ireo zandary tany an-toerana. Voarohirohy ho mpiray tendro tamin’ireo dahalo mpanao fanafihana, ny voalohadohan’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia samy mponina eny amin’iny faritra manodidina nisehoan’ity tranga ity ihany ireto olona ireto. Izany hoe, avy ao amin’ny fokontany Tanandava, ao amin’ny kaominina Beroroha. Araka ny tati-baovao azo hatrany dia mbola nahitana basim-borona marika Baikal tany amin’ireto olona ireto, izay marihana fa nisy vehivavy ny iray. Fa teo ihany koa ny fitaovana isan-karazany fanamboarana bala, toy ny afokasoka maromaro sy fitaovana maro samihafa. Tsiahivina fa ny faran’ny herinandro lasa teo no lavon’ny balan’ny zandary ny lehiben’ireo dahalo izay nitari-tafika tamin’io fotoana io. Namany roalahy kosa no azo sambo-belona izay mbola nahatratrana fitafiana fitondra miady an’ilay zandary namoy ny ainy, tany an-tranony. Mbola mitohy hatrany moa ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy raha ny fanazavàna azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici