- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBeroroha : Tovolahy namono olona matin’ny fitsaram-bahoaka

Beroroha : Tovolahy namono olona matin’ny fitsaram-bahoaka

 Tovolahy iray nandatsaka ny ain’ny namany niady taminy, tamin’ny alàlan’ny vely vantan-kazo teo amin’ny lohany, no matin’ny fitsaram-bahoaka, ny 13 novambra lasa teo, tany Maroto Distrikan’i Beroroha. Rehefa maty tsy tra-drano ilay tovolahy, dia tsy nahatsindry fo ny fokonolona teo an-tanàna ka nisambotra avy hatrany an’ilay tovolahy namono olona. Nanohitra sady nitsoaka anefa ity farany ka nampirehitra ny hatezeran’ny olona izany, ary nivadika ho fitsaram-bahoaka avy hatrany ny raharaha. Nofatoran’ny olona izy ary samy nidaroka nanala ny fony teo avokoa ny rehetra, ka maty tsy tra-drano ihany koa noho ny ratra mafy nahazo azy, satria rapa tanteraka ny tavany sy ny vatany iray manontolo. Fatin’olona  roa no indray novantanin’ireo mpitandro filaminana. Misokatra ny fanadihadiana, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici