- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBesalampy : Nivoaka ny lalana ny fiara nitondra an’i Ahmad Ahmad

Besalampy : Nivoaka ny lalana ny fiara nitondra an’i Ahmad Ahmad

Ny haratsian-dàlana no nitarika ny lozam-pifamovoivoizana. Tafavoaka ny lalana ny fiara 4X4 nitondra ny filohan’ny CAF teo aloha, Ahmad Ahmad, sy ny minisitry ny fahasalamana teo aloha, ny Professeur Tehindrazanarivelo Alain. Izy ireo dia avy nanotrona ny fanokafana ny lalao « jeux de Melaky » andiany faha-32 tao Maintirano. Teny an-dàlana ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny sivy ora maraina no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Raha ny fanamarinam-baovao natao dia tsy nisy naninona izy mirahalahy.

 

 

Ambatomaro

 

Noraisim-potsiny ny mpamaky trano

 

Mba tonga ara-potoana ny polisy rehefa nahazo antso tamin’ny tompon-trano iray etsy Ambatomaro. Tsy alina akory fa amin’ny enina ora hariva dia nisy olona niditra an-tsokosoko tao amin’ny tokantrano iray. Tsikaritry ny tompon-trano izany ary niantso polisy etsy amin’ny boriborintany fahatelo no nataony voalohany. Fihetsika izay nety satria tonga tokoa ireo mpitandro ny filaminana ary nanao ny fisamborana. Natao ny fisamborana tao an-tokotanin’ilay olona ary tsy afa-niala ny olon-dratsy satria voahodidina polisy ny trano.

nangonin’i D.R

 

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici