lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Karohin’Antananarivo i Papaga mpanendaka

Besarety : Karohin’Antananarivo i Papaga mpanendaka

Efa azo ny sariny, efa fantapantatra koa ny momba azy sy ny toerana fipetrahany, izay eny amin’ny manodidina an’Ambohimahitsy. Ny fahaiza-manaon’ny mpitandro ny filaminana sisa no andrasana, satria tokony ho mora sy haingana kokoa ny misambotra mpanendaka iray noho ny mandrava famoriam-bahoaka. Izany kosa anefa dia miankina amin’ny fanampian’ny olona azy ireo avy amin’ny alàlan’ny fanomezam-baovao. Toa izao ny nataon’i Papanga ka nahatohina ny maro teto Antananarivo, indrindra rehefa niparitaka ny vaovao nozarain’ny voaendaka tamin’ny tambajotra sosialy. Raha ny fitantaran’io farany dia tao anaty taxi-be zotra 161 no niseho ny fanendahana miampy herisetra, amin’ny andro antoandro. « Avy eny Ambatobe, nandeha bus 161 ary hiala eo Besarety no anton-dia. Teo Nanisana dia nisy lehilahy mainty niditra. Lava ranjanana izy ary nitondra kitapo mainty ary nipetraka teo akaikiko. Nisy vehivavy mena volo ary mihaja niaraka taminy, nipetraka tao aoriana. Nahita ny ramatoa iray teo akaikiko nilalao finday izy dia efa nanomboka hafahafa ny fihetsiny. Teo Ampasampito dia nisy ramatoa lehibe avy eny aloha, mitondra kitapo ary handeha hivoaka ny bus, kanefa nobahanan’ilay mpanendaka. Mody napiresahiny teo ilay olona kanefa ny tanany efa tany anaty kitapo nangarona ilay finday ». Nisy nahita izany saingy tsy nisy sahy niteny, satria lehilahy iray monja no mba tao anaty bus dia ilay sady mijoro vavolombelona mitantara izay nanjo azy eto izany. « Rehefa niala teo Besarety aho dia nitsangana indray ilay lehilahy ary nibahana toy ny fanaony. Efa fantatro fa hangarona ny finday indray no tanjony. Azoko ny tanany ary notazomiko mafy. Totohondry ny valin’izany ary tena daroka tsy an-kijanona. Tsy vitan’izay fa rehefa tsy voatohitro intsony izy dia mbola notetehiny tamin’ny ´lame’ indray ny tarehiko. Lasa izy nitsoaka taorian’izay ary mbola nandrahona ihany fa tsy maintsy mbola ho azony aho. » hoy hatrany ny fitantarana. Ny mpamily mpanampy tao anatin’izany rehetra izany dia nanjavona ary rehefa lasa ny olon-dratsy vao mody niverina teo. Vaky loha, vako orona ary tataka tarehy izay voatery nozairina. Izany no nanjo ilay tovolahy. Soa ihany io farany fa nahavita naka sary tsimoramora ilay olon-dratsy ary iny no naparitany tamin’ny Facebook. Hitan’ny olona maro izay tezitra mafy tamin’ny zava-nitranga izany. Ny zandary koa raha nahita ity fijoroana vavolombelona ity dia nanambara avy hatrany fa hatao hazalambo ilay mpanendaka. Olon-tsotra no nanome vaovao fa Papaga ny anarany ary mipetraka eny amin’ny manodidina an’Ambohimahitsy. Nifameno avoko ny fizaran’ny olona izay fantany ary dia mandeha ny hazalambo raha araka ny fampanantenan’ny zandary. Handrasana ny vokany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici