- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Mpandeha fiara anaty fitohanana voaroba tamin’ny basy

Besarety : Mpandeha fiara anaty fitohanana voaroba tamin’ny basy

Na nihidy aza ny fiara dia mbola vitan’ireo jiolahy ihany ny namaky ny fitaratra (sary tahiry)
Na nihidy aza ny fiara dia mbola vitan’ireo jiolahy ihany ny namaky ny fitaratra (sary tahiry)

Efa mailo ny mpamily sy ny olona tao anatin’ilay fiara. Nohidin’izy ireo “secret” ny varavarana, dia nampakarina ny fitaratra, izany dia mba hialana amin’izay mety ho asan-jiolahy. Saingy tsy nanakana ny olon-dratsy tsy hanao ny asany izany, tetsy Besarety ny alakamisy hariva teo. Manodidina ny tamin’ny dimy ora sy sasany hariva, ao anatin’ny fivoahan’ny mpianatra sy ny mpiasa ary mazava hoazy fa lera fitohanan’ny fifamoivoizana, no tonga ny jiolahy ary nanafika. Nambanan’izy ireo basy ny mpamily. Rehefa tsy nety namoha ny varavarana io farany, dia novakian’ireo olon-dratsy hatramin’ny fitaratra. Teo dia tsy nisy na inona na inona azo natao intsony, ankoatra ny fanarahana ny baiko. Nomena ny “tablette” sy ny finday ary ny solosaina tao anaty fiara. Tao anatin’ny fotoana fohy monja no nitrangan’izany rehetra izany. Poa toa izay dia nanjavona ny mpanafika ary ny tompon’ny fiara sy ny mpandeha tao anatiny kosa gina tsy nahateny. Nisy mpianatra vao avy notsenaina rahateo tao anatin’izany. Fantatra fa nisy ny fidinana tampoka nataon’ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny pôlisim-pirenena ifotony teny amin’ny komisaria tsirairay avy nisy teto an-drenivohitra, ny alin’ny alakamisy teo. Izany dia mba hijerena ny fandehanan’ny raharaha ary koa fisafoana ny faritra maro eto Tanà. Tsara atao matetika ary handrasan’ny olona ihany koa ny fanasiana pôlisy na andro na alina eny amin’ny faritra mena efa hatrizay, toa an’i Besarety.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici