Miaina amin’ny zava-misy. Mandram-piandry ireo mpitandro filaminana dia nogadrain’ireo andrimasom-pokonolona nahasambotra azy tao anaty garabam-borona ity tovolahy iray, mpangalatra môtô teny amin’iny faritra Besarety iny. Roalahy izy ireo, araka ny angom-baovao azo saingy tafaporitsaka ny namany.
Mirongatra izay tsy izy tokoa amin’izao fotoana izao ny halatra môtô. Misy amin’ireto kodiaran-droa ireto tokoa mantsy no tafiakatra an-tapitrisany maro ny vidiny ka mahasarika ireo olon-dratsy. Ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo dia roalahy somary hafahafa fihetsika no nanosika môtô iray avy any an’elakelan-trano tany ho any, hitan’ireo andrimasom-pokonolona teny an-toerana. Nampiahiahy tanteraka izy ireo satria efa manakaiky hisasaka ny alina tamin’io fotoana io. Nanatona avy hatrany nanontany azy ireo ireto solon-tenam-pokonolona miandraikitra ny fandriahapahalemana ireto. Raha vao nahita ireto farany izy roalahy avy hatrany dia nitsoaka, namela ilay kodiaran-droa natosika teo. Raikitra teo ny fanenjehana. Tafaporitsaka tanaty haizina moa ny iray raha somary tsy dia afaka loatra ilay namany ka noraisim-potsiny teo. Mbola nikasa ny hitsoaka ihany moa ity farany, ka hany herin’ireo mpisambotra ny nanagadra azy tao anaty garaba roa misarona. Niaiky ity farany fa môtô avy nangalarin’izy ireo ity natosika ity. Natolotra ny mpitandro filaminana ranamana moa nony avy eo.
m.L