Miditra eo amin’ny fiantsonana eo anoloan’ny hopitaly miaramila izy ireo ary mody tsy mifankahafantatra, miditra toy ny olon-tsotra. Tsy miditra any aloha be fa ireo toerana akaikin’ny varavarana aoriana no ipetrahan’ireo. Ny iray eo amin’ireny seza fanampiny (strapontin) ary ny faharoa aoriany. Vao mandeha kely ny taxi-be dia milaza ny aoriana fa miraikitra ilay seza fanampiny ary voatery ao izy. Mangataka izy ny mba hanampiana azy ary raha vao mihetsika eo ilay olona lasibatra dia efa ao anatin’ny poketra ny tànana maka izay azo alaina. Tamin’ity indray mitoraka ity, afak’omaly, dia vehivavy tanora iray no lasibatr’ireo olon-dratsy. Nanampy tokoa izy ary raha vao sendra nierika taoriana dia efa voasokatra ny poketrany ary lasa ny finday Iphone 13. Tsy mihoatra ny fiantsonana iray dia efa vitan’izy ireo ny fanendahana. Nidina teo amin’ny fiantsonana anoloan’ny tany malalaka izy ireo ary nandeha mafy avy eo. Izany fihetsika izany no nanaitra ilay olona ary raha mba sendra nijery ny poketrany izy dia inona tokoa fa efa tsy tao intsony ny finday lafo vidy. Ny nahagaga azy anefa dia nihidy soa aman-tsara ny poketrany. Tsy aritr’ilay tovovavy ny nanjo azy ary nozarainy teo amin’ny tambajotra sosialy mba hitandreman’ny hafa. Teo no nisy nijoro vavolombelona maro fa efa niharan’ny toa izany. Ary tena mitovy tanteraka ny famaritana ireo olona : roa lahy mainty ary miaraka hatrany. Efa samy nametraka fitoriana eny amin’ny mpitandro ny filaminana avokoa izay voa. Hiadivana amin’ny tranga toa izao no tena ilaina ireo polisy manao fanamiana sivily ary miparitaka amin’ny taxi-be. Efa betsaka ny porofo ny amin’ny fahombiazan’ity paikady ity ary andrandrain’ny olona mba hampiharina hatrany.
D.R




