- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Enin-dahy mpangalatra lakolosim-piangonana, voasambotra

Betafo : Enin-dahy mpangalatra lakolosim-piangonana, voasambotra

Ela nanaovan-dratsy, ka noraisim-potsiny, tao anatin’ny fotoana fohy ary tsy afa-niala intsony, tamin’ny alalan’ny vela-pandrika kely tsy nampoiziny ny enin-dahy nangalatra lakolosim-piangonana tao Ambohitririana Distrikan’i Betafo, ny faran’ny herinandro teo. Telo volana taty aoriana, hita ny lakolosim-piangonan’ny EKAR Ambohitririana, izay ireto enin-dahy zanaky ny Fiangonana mponina ao amin’ny Kaominina Mandritsara-Betafo ihany no nahavanon-doza nangalatra ny zava-masina, ny volana mey lasa teo. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha, dia ny efatra no tena nangalatra ilay lakolosim-piangonana, ny volana mey lasa teo, fa ny roa lahy tamin’ireo voasambotra kosa nitady mpividy, ka teo am-pitadiavana mpividy no tra-tehaky ny Zandary avy ao Andranomadio, ny 5 aogositra teo.

Eric Manitrisa 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici