- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Feno mpangarom-paosy ny tsena

Betafo : Feno mpangarom-paosy ny tsena

Tao anatin’ny iray andro monja izay nanaovan’ny polisy ao an-toerana hetsika dia olona sivy no voasambotra. Toerana nitovy ny nisamborana azy ireo dia tao an-tsenan’i Betafo avokoa. Ny tena nahatalanjona dia ny nisian’ny vehivavy tamin’ireo olon-dratsy. Nisy telo izy ireo no voasambotra raha araka ny fanampim-panazavàna avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Ireo farany ihany no nanazava fa misy tsy avy ao an-toerana amin’ireo olona fa manenjika mitety izay tsena manodidina an’i Vakinankaratra mba hanatontosàna ny harom-paosy. Raha 40 taona ny zokiny indrindra dia 18 taona kosa ny voamarika fa zandriny indrindra amin’ireo olona sivy nanokafana fanadihadiana. Feno finday teny amin’ireo olona rehefa voasambotra. Izany hoe, ny poketra sy ny paosy no tena ataon’ireo lasibatra. Nanentana izay olona very finday mba hijery izany eny amin’ny biraony ny polisy. Mazava ho azy fa ilaina ny fanamarinana. Tsy dia tranga nisy tao Betafo izany harom-paosy izany tany aloha tany. Mampanontany tena ankehitriny ny hoe aiza ihany izany no toerana mba tsy misy olon-dratsy firy?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici