Iray tamin’ireo 12 lahy nanafika tao Alakamisin’Andrianovona no voasambotry ny fokonolona, ka rehefa maty vokatry ny vono nahazo azy ity malaso, dia nodoran’ny fokonolona ny fatiny.
Tokony ho tamin’ny 11 ora alina, no tonga nanao be miditra tao Ambohimasina, ny jiolahy manodidina ny 12 teo ho eo. Tsy vaomarina aloha na nitondra basy ry zalahy na tsia, fa ny hany fantatra dia vonona ny handroba ireto andian-jiolahy ireto. Raikitra ny antso lava vao nahare ny fahatongavany ny fokonolona. Ireo fokonolona manodidina no nifampitaona ka nifanehitra tamin’ireo jiolahy. Raikitra ny sakoroka, tsy nanaiky mora ny fokonolona, fa nifampitana tamin’ireo jiolahy. Resy tosika ireo olon-dratsy, ka vaky nandositra avokoa. Nifanenjehan’ny fokonolona ry zalahy ka iray tamin’izy ireo no voasambotra teo amoron’ny RN 34, io no nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany ka maty vokatry daroka nahazo azy. Rehefa izany dia nodoran’ny fokonolona ny fatiny ary nalevin’ny fokonolona tsy lavitra ny toerana nandorana ny razana.
Andry N.