Teo am-pitaterana entana, zava-pisotro avy ao amin’ny toeram-pivarotana iray, no nifanena tamin’ny mpitandro ny filaminana izay nanao fisafoana. Koa satria efa nisy ny fepetra noraisina dia ny fametrahana « couvre-feu » izany hoe tsy ahafahan’ny olon-tsotra mivezivezy sy mivoaka ny trano intsony manomboka amin’ny sivy ora alina ka hatramin’ny enina ora maraina, dia tsy maintsy nofotorina avy hatrany ireo telo lahy. Niezaka nandainga izy ireo ka nilaza fa azy ihany ny toeram-pivarotana ary mba mitatitra entana hoentina mody fotsiny izy ireo. Rehefa nandeha teny amin’ilay toerana ary nanamarina ny mpitandro ny filaminana dia hita fa mbola misy efa-dahy koa tao anatiny ary mbola eo am-pandrobàna ny toerana. Teo dia nanapa-kevitra ireo mpitandro ny filaminana nisambotra ny rehetra, izany hoe izy fito lahy. Ny alin’ny talata ihany dia efa notaterina nidina tany Antsirabe ireto olona ireo ary tany no nitazomana azy ireo. Ny antony dia sao sanatria misy manely tsaho indray ka hitarika fitsaram-bahoaka. Anio no hiakatra fampanoavana ity raharaha ity, raha tsy misy fiovàna, rehefa nohadihadiana ireo olona omaly tontolo. Raha ny fantatra dia an’ny havan’ilay olona izay antsoine hoe Rajosoa ihany ity toeram-pivarotana izay nisy nandroba ity. Tany Antsirabe koa dia mbola nisy havany hafa izay may trano sy voaroba (jereo ny antsipiriany amin’ny lahatsoratra etsy ankila). Ahiana araka izany ny ain’ny havan’ity olona ity ankehitriny ary mila ampiana ny fiarovana azy ireo satria lasa mizaka toe-javatra izay tsy misy hidiran’izy ireo mihitsy noho ny honohono sy ny tsaho izay tsy mitsahatra miely ao Betafo sy Antsirabe.
D.R/T.M