- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversBetafo : Nanohitra ny masera dia tsy voatafika

Betafo : Nanohitra ny masera dia tsy voatafika

Nifanjevo tamin’ny jiolahy ry masera. Nanohitra izy ireo ary nisy vokany izany. Mbola tsy alim-be akory, ny alarobia teo manodidina ny tamin’ny enina ora, tao Nandihizana, fokontany iray ao amin’ny distrikan’i Betafo. “Jiolahy telo mitondra famaky sy kibay no tafiditra tao an-tokotany misy ny tranon-dry masera rehefa nihanika tamboho. Ny mpanampin-dry masera no tratran’izy ireo teo ka nasainy namoha varavarana. Nanohitra ihany koa ny masera iray sendra nivoaka ka na voavelin’ny kibay aza izy mirahavavy dia voahidy ny trano ary afaka niantsoantso”, raha araka ny tatitry ny zandary. Vetivety dia vory ny mponina teo an-toerana rehefa naheno ny antso vonjy. Nahita izany ny jiolahy ka rifatra nitsoaka mba hanavotana ny aina. Tsy namelan’ny olona anefa raha tsy voasambotra ny sasany. Ny roa tamin’ireo olon-dratsy no azo ary nodarohin’ny olona, nanalany ny fony mihitsy. Ny iray farany kosa tafaporitsaka ary mbola karohina hatramin’izao. Tonga teny an-toerana koa ny zandary rehefa nahare ny antso ary naka ireo jiolahy teny an-toerana. Nohamafisina ny fisafoana ny toerana misy relijiozy ao an-toerana. Ireny toerana ireny tokoa mantsy dia heverin’ny jiolahy ho misy volabe ary efa betsaka izay norobainy izay.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici