Roa lahy tokony mbola manefa ny saziny any am-ponja no saron’ny polisy tao Betafo. Malaza ratsy ho totakely amin’ny hala-botry izy roa lahy ireo ary efa nampiaiky ny mponin’i Betafo mihitsy.
Nandritra ny isan-taona nataon’ny FLM Spam natao tao Betafo ny herinandro lasa teo no nahavosambotra azy roa lahy. Tsy inona no nanenjehana azy fa dia hala-botry hatrany. Vao niatomboka ny isan-taona dia maro ireo olona tsy mbola nahita trano hatoriana ka nandry teny amin’ny sisin-dalana. Tamin’izany no nahaverezana entana maro, toy ny vilany sy bisikeleta ary kojakoja maro samihafa. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ny polisy taoarian’ny fitarainana. Vao naheno izany ireo totakely dia nifindra toerana somary mihataka ny renivohitra, tsy nipika tamin’ny polisy anefa izany ka niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ireto farany. Vokany, roa lahy no tratra ary mbola tavela tao an-tranon’izy ireo ny entana halatra maro. Taorian’ny fanadihadiana dia fantatra fa olona tokony hanefa sazy any am-ponja ny iray tamin’izy roa lahy ireo nefa dia izao voasambotra izao indray. Taorian’ny nisamborana azy ireo vao nilaza ny teo anivon’ny fonja fa nisy gadra tafatsoaka. Tsy vao sambany no nahenoana tranga toy izao ireo gadra tokony hanefa sazy, naverina natolotra ny fampanoavana indray izany ilay gadra sy ny namany ary naverina any amin’ny toerana tokony ho efa nisy azy. Mbola misy namany roa karohina.
Andry N.