- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversBETAFO : Taxi brousse nifandoana

BETAFO : Taxi brousse nifandoana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena faha 34 omaly maraina be tokony ho tamin’ny 5 ora tany ho any Taxi brousse roa no voalaza fa nifandona teo Morarano amin’ny lalam-pirenena alohan’ny hiditra an’i Betafo.

Fantatra fa noho ny fahatapahan’ny hisatra tamini’ilay fiara mazda izay nidim-pidinana hihazo an’i Betafo no nahatonga ny loza.Tsy voatazaon’ny mpamily intsony ny  familiana ka nifandoana tamina fiara 505 nifanena taminy. Samy potika avokoa ny fiara roa ary tena mafy ny fahavoazana satria tena saika simba tenteraka ny fiara. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy fa araky ny antontan’isa voaray dia folo no naratra ka telo amin’izy ireo no voa mafy saingy efa samy nahazo fitsaboana sahazy azy ary nalefa nody.

Isan’ny fitanteram-bahoaka tena mampitaraina ny mponina ny faharatsian’ny taxi brousse miasa ao Betafo ao. Ankaotra izay ny  farahatsian’ny lalana ao antapotanana indrindra moa fa ny lalam-pirenena izay tazanam-potsiny fa tsy misy fanamboarana na fikojakojana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici