- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetafo : Telo lahy nilanja basy, matin’ny fitsaram-bahaoka ny iray

Betafo : Telo lahy nilanja basy, matin’ny fitsaram-bahaoka ny iray

Nihevitra izy telo lahy, fa tsy hisy sahy hanatona  azy ny fokonolona, noho ny basy teny an-tànany. Tsy izay anefa no niseho fa dia matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray tamin’izy telo lahy. Ilay nilanja ny basy mihitsy ity matin’ny fokonolona ity. Tao amin’ny fokontany Miaramamindra, toerana antsoina hoe Ambaromahatahotra no nisehoan’ity tranga ity, ny faramparan’ny herinandro lasa teo tao amin’ny kaominina Betafo. Namakivaky ny tanàna izy telo no nilanja ilay basy kalaky A4, raha ny filazan’ny loharanom-baovao. Tsy nisalasala ny fokonolona nanadihady azy telo lahy, saingy tsy nahazo valin-teny mahafa-po no sady mahimahina izany ny fahitan’ny fokonolona azy. Raikitra avy hatrany ny fanenjahana nony avy teo ka ny iray io tratra sambo-belona io, fa ny roa lahy kosa tafatsoaka lavitra ka tsy mbola hita hatramin’izao. Niharan’ny hatezeram-bahoaka ilay voasambotra satria ankoatra ny basy teny an-tànany, dia mbola nahitan’ny fokonolona karatra sandoka maha- mpiasan’ny Jirama roa tao amin’ny entany, miampy rojo vy famatorana sy “scotch” lehibe iray. Nambaran’ny fokonolona noho izany, fa nikasa hanao fanafihana teo amin’ny manodidina ihany ry zalahy ireo, saingy io voasakana io.  Tsy mifanalavitra amin’ny tobin’ny zandary moa ilay toerana nahatraran’ny fokonola ny iraika lahy io ka vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ny zandary. Noraisin’ny zandary an-tànana ilay basy ary nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay jiolahy, tsy tana intsony anefa ny ainy noho ny ratra nahazo azy. Fantatra, fa tsy mponina avy ao Betafo no sady tsy avy eto Vakinankaratra akory io maty io, fa avy ao Namontana Antananarivo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici