Tovolahy irao vao 20 taona monja no hita faty nihantona tao an-tranony. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohiambo Betafo no nisehoan’ity tranga nampalahelo ity. Tsy vao sambany akory no nisehoan’ny tranga famonoan-tena toy izao ao Betafo ao fa tato ho ato dia nateti-pitranga izany ary mazàna famoizam-po hatrany no antony. Isan’izany ilay tovolahy kely vao 17 taona monja namono tena tao Ambaniharana vokatry ny resa-pitiavana vao tsy ela akory izay. Mbola famoizam-po ara-pitiavana hatrany no anton’ny namonoan’ity tovolahy iray ity tena. Voaporofo tamin’ny taratasy lava be namelan-kafatry ny maty izany. Voatantara tao anatin’ity taratasy nosoratany ity ny tantaram-pitiavany niarahany tamin’ny vehivavy iray ka nahatonga azy namono tena io. Voalaza fa niteraka iray izy sy ilay olon-tiany, saingy tsy mbola mpivady ara-dalàna na efa nitokan-trano aza izy telo mianaka kely. Nisy ny tsy fifanarahana taty aoriana ka nisaraka izy roa. Niaraka tamin’ny lehilahy hafa ilay fofom-badiny, io no tsy zakany ary maro ireo namany no nahatsikaritra izany famoizam-pony izany. Ny faran’ny herinandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, gaga ny mpiara-monina sy ny namany nahita ny tranony tsy mbola nivoha, izay tsy fanaony loatra. Mahana ireo namany akaiky ary nampandre ny tompon’andraikitra teo an-toerana. Rehefa novakiana ny varavarana, akory ny hatairana fa izy efa mihantona amin’ny tady tsy misy aina intsony no hitan’ny fokonolona. Marihina fa nipetraka irery izy taorian’ny nisarahany tamin’ilay vadiny niterahany iray.
Andry N.