Zazavavikely vao 4 taona monja no niharan’ny herisetra ara-nofo nataona zazalahy 14 taona tao antampon-tananan’i Betafo. Nalefa notezaina eny amin’ny zaza maditra ilay bandy kely taorian’ny famotorana.
Zava-doza indray ity niseho tao Betafo ity, tsy fantatra loatra aloha izay tena antony sy nahaizan’ity bandy kely ity ny natoany fa dia mamoafady tokoa raha ny zavatra nataony. Tsy fanolanana toy ny fandre matetika no niseho fa novetavetainy tamin’ny ratsan-tanany ilay zazakely. Tsy indray na indroa no nanaovany izany fa efa matetika mihitsy raha ny fazavana. Milaza ho marary ilay zaza rehefa mivalan-drano ka teo no nanaitra ny reniny sy nahatonga azy nijery ilay zaza ary nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Teo vao fantatra fa niharan’ny herisetra ara-nofo ilay zaza.
Toarian’ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana dia niaiky ny heloka vitany ilay bandy kely ary nambarany mihitsy fa ny tanany no ampiasany. Nalefa notazaina eny amin’ny toby fitazaina moa ity farany amin’izao.
Andry N.