- Publicité -
lundi, septembre 21, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetanantanana - Ambatoboeny : Miverina indray ny halatra omby

Betanantanana – Ambatoboeny : Miverina indray ny halatra omby

Raha somary nangina ny resaka fanafihan-jiolahy nitam-piadiana sy ny halatra omby, any amin’ny kaominina ambanivohitra Anjiajia, distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny dia manomboka miverina indray ny asan-dahalo nahaverezana omby. Ny zoma hifoha sabotsy faha-19 septambra taona 2026 teo iny, tokony ho tamin’ny 02 ora maraina no nahalasanan’ireo olon-dratsy niisa telo ny omby roa tao am-bala, tany amin’ny fokontany Betanatanana, kaominina ambanivohitra Anjiajia.Tsy nahere ny halatra nisy ny olona teo amin’ny manodidina, eny fa na dia ny tompon’omby aza. Taitra kosa ny tao an-trano raha sendra nandeha nivoaka ny trano tsy nahatazana ny omby roa. Taorian’izay dia raikitra ny antso vonjy sy ny fanarahan-dia nataon’ireo vatan-dehilahy, ary ny zandary miasa ao Anjiajia tampon-tanàna. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana, fa nony tonga teny an-tampokara ao Anavabe, fokontanin’Ampasitapaka, mbola any amin’ny kaominina ambanivohitra Anjiajia ihany, dia niverin-dalana ny mpitandro ny filaminana, saingy nanohy ny lalana tamin’ny fanarahan-dia ny vatan-dehilahy. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, raha ny fampitam-baovao voaray dia hitan’ireo mpanara-dia, tao atsinananan’ny tanànan’Ambalajanakomby, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna ireo omby roa nangalarina, efa tsara fatotra anaty akata ny tolakandron’ny alahady faha-20 septambra taona 2026 teo. Tsy nisy tazana teo kosa ny jiolahy nitondra ny omby.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici