- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetioky Atsimo : Sokatra velona miisa 7 347 tra-tehaka, olona telo voasambotra

Betioky Atsimo : Sokatra velona miisa 7 347 tra-tehaka, olona telo voasambotra

Tamin’ny taona 2018 ity dia nirongatra izaitsizy ny trafikana sokatra tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Raha mbola tsy vita akory ny fitsarana an’ireo olona telo voarohirohy (mpiambina ny iray, mpamahana sokatra ny faharoa ary tompontrano ny fahatelo) izay nahatrarana sokatra miisa 10 196 tao Betsinjaka Toliara II, ny 21 aprily lasa teo. Ary nahemotra androany 25 oktobra ny raharaham-pitsarana izay tokony natao ny talata teo tao Toliara, satria misy fifandraisana ara-pianakaviana ny mpitsara mandray an-tanana ny raharaha sy ny mpiaro ny voampanga, dia mbola nahatratra sokatra velona miisa 7 347 tany Ihotry, Kaominina ambanivohitry Tongobory any amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo, omaly, ka olona telo no tra-tehaka tamin’ity afera maizina ity. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia efa misokatra ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro filaminana an’ireto voasambotra mba ahafantarana marina ny niavin’ireo sokatra sy ny toerana saika hanondranana an’ireto biby arovana, ka ho hita eo ny tohin’ny tantara, satria manantena ny olom-pirenena sy ireo mpanara-baovao mba tsy vitavita mora hatrany ny raharaha.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici