lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversBetongolo : Jiolahy telo nandroba tao anaty taxi-be

Betongolo : Jiolahy telo nandroba tao anaty taxi-be

Miverina indray ny fanendahana anaty taxi-be.

Miandry izay hametraka fitoriana ny mpitandro filaminana. Fantatra fa jiolahy telo no voalaza fa nandroba mpandeha tao anaty taxi-be iray teny Betongolo afakomaly hariva. Araka ny fitantarana dia niakatra toy ny olon-drehetra teo amin’ny fiantsonana Chapelle Betongolo izy ireo. Rehefa tonga teo Ambohitrakely ilay fiara dia nandrahona avy hatrany ireo mpandeha rehetra tao anaty taxi-be ireo jiolahy. Nandrangaranga fitaovam-piadiana. Nitaky ny vola sy ny zavatra manan-danja. Voaroba ny finday sy ny volan’ireo mpandeha rehetra. Voalaza fa vitsivitsy ireo olona tao anaty fiara. Niala moramora toy ny tsy nisy na inona na inona ireo olon-dratsy. Marihina anefa fa tsy lavitra eo dia misy tobin-jandary. Rehefa nanontaniana momba ity raharaha ity ny teo anivon’ny mpitandro filaminana dia nilaza fa tsy mbola naharay fitarainana aloha ary miandry raha hisy ny hametraka fitoriana. Na izany aza, efa misy ny fepetra raisina manoloana izany, indrindra ny fanaraha-maso sy ny fidinana ifotony.

Toe-javatra izay itarainan’ny olona ny fisain’ny fanendahana anaty taxi-be, ary voalaza fa tsy voalohany izao. Efa nisy tranga toy ity teny Betongolo ihany ka mpanao gazety teo aloha no lasibatra. Nisy ihany koa nilaza fa efa tratran’ny fanendahana anaty taxi-be teny Anosibe, Andavamamba sns. Efa nisy ihany koa ny olona tratran’ny polisy ary nisy ny efa maty voatifitry ny polisy ireo mpanendaka anaty taxi-be vao tsy ela akory izay. Teny Anosibe no voatifitra ilay jiolahy io niaraka tamin’ny antsibe fampiasany. Andrasana indray izay hetsiky ny polisy manodidina ny tranga toy izao. Mandry tsy lavo loha ny olona manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy an-drenivohitra fa hatrany ambanivohitra any.  Mitaraina amin’ny afitsoky ny olon-dratsy ny rehetra. Miandry vokatra indray ny rehetra.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici