Miisa valo lahy izy ireo no tra-tehaka tao amina trano iray tetsy Betongolo, fantatra amin’ny anarana hoe « ghetto ». Ny roa tamin’ireo voasambotra dia mbola mpianatra ary ny iray tsy ampy taona. Tra-tehaky ny polisy nifoka rongony moa izy ireo, raha ny sasany tratra nivarotra.
Araka ny fanazavàna nomen’ny polisy, dia nisy ny fitarainana azon’izy ireo mahakasika ny fisiana trano iray izay fantatra amin’ny anarana hoe « ghetto » eny amin’iny faritra Betongolo iny. « Fivarotana sy fifohana rongony io trano io ka mahavelon-taraina ny mponina eny amin’ny manodidina ». Tsy rano nararaka teny an-damosin-gana fotsiny moa izany fitarainana izany, fa nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ny teo anivon’ny polisy ary nidina ifotony sy nanara-maso ilay trano voalaza. Ny alarobia lasa teo, raha teo am-panaraha-maso izany trano izany ireo polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina no nahita zatovolahy maromaro niditra sy nivoaka tao amin’ilay trano. Avy hatrany araka izany, dia mba niroso tamin’ny fitsofohana tao amin’ilay trano ihany koa ny polisy ka tovolahy valo no tra-tehaka teo, mbola teo am-pakàna tsirony tsara, teo am-pisontomana rongony ny sasany, raha mbola teo am-pandresen-dahatra ny sasany amin’ny rongony eny an-tanany ny hafa ary ny iray mpivarotra. Araka ny fampitam-baovao azo dia mbola nahitàna fonosan-drongony 19 tratra tao amin’ity trano antsoina hoe ghetto ity. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao natao famotorana moa izy ireo, izay samy niaiky tanteraka ny heloka vitany, sady tratra am-bodiomby ihany koa ka tsy afa-mandà intsony . Rehefa vita moa ny fakàna am-bavany azy ireo dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy valolahy ireto. Heverina araka izany fa mba hilamina amin’izany ny tanana eny amin’iny faritra Betongolo iny fa rava ny « ghetto » !
m.L