- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Dahalo tratran’ny mpanara-dia, maty notapahin-doha

Betroka : Dahalo tratran’ny mpanara-dia, maty notapahin-doha

Dahalo telo no maty, ka ny roa tamin’izany notapahin-doha ary ny iray voatifitra, teny amin’ny andaniny. Mpanara-dia roa kosa no lavon’ireo malaso, tetsy amin’ny ankilany. Izay no vokatry ny fifandonan’ny andian-dahalo sy ny mpanara-dia izay nahitana zandary sy fokonolona, tany Bekorobo, distrika Betroka, omaly antoandro. Raha ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandary tany an-toerana, dia nisy fanafihan-dahalo tany Anivorano, kaominina Bekorobo, distrika Betroka ny alatsinainy alina lasa teo. Omby maromaro no lasan’ireto olon-dratsy ireto amin’io fotoana io. Nalefa avy hatrany ny hazolava teo amin’ireo mponina. Nanara-dia avy hatrany ireto andian-dahalo ireto ny zandary sy ny fokonolona tao an-toerana, ka izao niafara tamin’ny fifandonana izao, omaly tolakandro. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tompon’omby roa avy tamin’ireo mpanara-dia no voan’ny balan’ireo dahalo, ka maty tsy tra-drano. Tetsy andanin’izay anefa, dia nisy tamin’ireo malaso no voatifitra ka namoy ny ainy ihany koa. Tao kosa ireo voasambotra. Nentin-katezerana tamin’ny fahafatesan’ireo tompon’omby roa ny fokonolona ka avy hatrany dia nanampatra ny hatezerany tamin’ireo voasambotra. Ary niafara tamin’ny fanampahan-doha ireto dahalo ireto mihitsy moa izany, raha ny vaovao voaray. Nitsoaka avy hatrany ireto malaso rehefa nahita, fa tsy hitsitsy ihany koa ireto mpifanandrina ka namela ireo omby an-jatony avy nangalarin’izy ireo. Miverina mitaintaina tokoa ireo mponina any amin’iny faritra iny amin’ity resaka asan-dahalo ity, eny fa na dia efa tsy mikely soroka amin’ny ady amin’izany ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana, izay mandray ny andraikiny avy hatrany raha vao misy tranga. Raha ny fitantaran’ireo mponina avy any mantsy, dia mazàna anehoana fanafihan-dahalo foana tato ho ato izay. Ary indraindray aza, dia miafara amin’ny famonoana feno habibiana mihitsy izany. Hany ka rehefa mahatratra ihany koa ireo fokonolona, dia mamaly bontana. Ary dia izao no vokany. Iza no omen-tsiny ary ?

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici