- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Lehiben-dahalo, maty voatifitry ny mpitandro filaminana

Betroka : Lehiben-dahalo, maty voatifitry ny mpitandro filaminana

Noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy sy mahazo laka amin’izao maitso ahitra (mosary) izao, any amin’ny Distrikan’i Betroka, Faritra Anosy. Ary mba ho famongorana ireo olon-dratsy, dia nanova fomba fiasa sy paikady amin’ny fampandriana fahalemana amin’ny alina ny mpitandro filaminana. Omaly tokony ho tamin’ny iray ora naraina, malaso iray no maty lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, tao Tanakompania tampon-tanànan’i Bekotra. Raha ny fantatra, dahalo nanodidina ny dimy teo no nikasa hanafika tokantrano iray tao amin’ity fokontany ity. Raha vao nahatazana ny mpitandro filaminana nanao fisafoana amin’ny alina ny malaso efatra, dia nitsoaka nandositra avy hatrany, fa ity voalaza ho lehiben-dahalo namoy ny ainy ity kosa no sahy nanohitra, ka voatifitra teo amin’ny tongony roa, izay tapaka tanteraka ny iray ankavia. Araka ny tati-baovao voaray farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola karohina fatratra atao haza lambo ireo malaso tafaporitsaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici