- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetroka : Mpanankan-dalana nifanehatra tamina fiaran’ny zandary

Betroka : Mpanankan-dalana nifanehatra tamina fiaran’ny zandary

Ela nitoratorahana. Ara-bakiteny mihitsy ity oha-pitenanana ity tany amin’ny tanana iray antsoina hoe Ampandrana, 15 km tsy ahatongavana any Betroka. Ny alarobia lasa teo mantsy dia nieritreritra ny hanafika ireto fiara roa, nandalo tamin’izany lalana izany ny andian-jiolahy maromaro. Ny tsy nampoizin’izy ireo anefa dia fiaran’ny zandary manao fisafoana tany amin’iny faritra iny ireto fiara roa saika notafihan’izy ireo ireto. Na izany aza dia mbola nanao toy ny fanaony izy ireo, nieritreritra fa hampitahotra ireo olona tao anatin’ilay fiara tamin’ny alalan’ny tifitra variraka. Poa toa izay anefa ny famaliana. Namaly tifitra ihany koa ireo zandary tao anatiny. Taitra tamin’ny valin-kafatra haingana dia haingana ireo olon-dratsy ary nirifatra nitsoaka. Taorian’io, ary teo ho no eo ihany dia nandeha ny savahao sy ny fikarohana ireo mpanafika ireto. Ny ampitson’io, ny alakamisy teo no voasambotra ny olon-dratsy niisa fito, niaraka tamin’ny basim-borona roa. Notazomina avy hatrany natao fanadihadiana ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Betroka moa ireto mpanakan-dalana ireto. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici