- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Nentin’ny olona naseho an’ireo izay mety mahalala azy, ireo...

Betroka : Nentin’ny olona naseho an’ireo izay mety mahalala azy, ireo lohana dahalo notapahina

Tompon’omby roa no lavon’ny balan’ireo dahalo, nandritra ny fifanandrinana teo amin’ireo dahalo, izay avy nanafika tao Anivorano, kaominina Bekorobo, sy ny mpitandro filaminana ary ny fokonolona tao Ampasimaiky, Betroka, ny talata lasa teo. « Tsy niandry ela noho izany ny zandary maromaro (Kaompania GN Betroka, Groupement Anosy – Androy sy USAD) niampy ireo Tafika Malagasy maromaro avy ao amin’ny Kaompania faha- 517 Betroka ; izay efa nanao hetsika fampandriam-pahalemana tany amin’ny sisin-tany ikambanan’i Betroka sy i Soanala fa avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona, sy  ny fanakanana ny dian’ireo dahalo » hoy ny fanazavana nomen’ny zandary. Tratra teo amin’io toerana antsoina hoe Ampasimaiky io ireo dahalo ary velona ny fifampitifirana. Nisy dahalo telo voatifitra. Ny roa tamin’ireo dahalo ireto, dia notapahin’ireo fokonolona mpanara-dia ny lohany. «Tsara ny manamarika fa ny ampahany tamin’ireo zandary ireo,  dia teo am-panarahan-dia dahalo hafa nangalatra omby 140 avy any amin’ny faritra hafa ka rehefa nitranga ity halatra omby 300 ity, dia namondrona hery aloha izy ireo nifanampy tamin’ny nahazoana izao vokatra izaoRehefa lasa nanohy ny fanarahan-dia mikasika kosa ireo mpitandro ny filaminana, dia nandre fa nikasa ny hilanja ny fatin’ireo dahalo telo ireo ho eny Bekirobo ny fokonolona mba haseho amin’ireo olona mpamonjy tsena eny sao mba misy mahalala azy ireo. Nanapa-kevitra anefa ireo fokonolona ireo, raha ny re hatrany fa nalevin’izy ireo ny vatany ka ny lohany ihany no nentiny teny mba haseho izay mety hahalala azy ireo ». Ny fanazavana nomen’ny zandary hatrany no nahafantarana fa « raha miseho moa ny havany, hoy izy ireo dia hatoro ny toerana nandevenana mba hakany ny vatany handevenany azy any amin’ny tanindrazany ». Nanamafy hatrany moa ny teo anivon’ny zandarimarim-pirenana, fa ny « ny fifanomezan-tanana sy ny firaisan-kina eo amin’ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana, sy eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana dia manamora kokoa ny asa fampandriana fahalemana ny tany ». Izany dia mba hahafahana misoroka mialoha ny asan-jiolahy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici