- Publicité -
jeudi, août 27, 2026
AccueilFaits-DiversBetroka : Notifirin’ny jiolahy ny iray trano

Betroka : Notifirin’ny jiolahy ny iray trano

Zazakely, olon-dehibe. Tsy nisy an-kanavaka fa avy hatrany dia notifirina avokoa. Izany ny zava-nisy nandritry ny fanafihana mitam-piadiana tao Isoanala, distrikan’i Betroka. Tokantrano iray ao amin’ny fokontany Tanambao no notafihin’ny lehilahy iray nitondra fitaovam-piadiana. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina no nitrangan’ny fanafihana. Araka ny vaovao voaray, nitifitra ireo olona tao an-trano ilay lehilahy, ka olona telo mianaka no naratra. Zaza dimy taona no voatifitra teo amin’ny lamosina, raha zaza iray hafa enin-taona kosa voatifitra intelo teo amin’ny feny. Naratra teo amin’ny feny ihany koa ny rain’izy ireo, 50 taona. Taorian’ny fitifirana dia nandositra avy hatrany ilay lehilahy. Mbola tsy fantatra hatreto ny antony nahatonga izao fanafihana izao. Araka ny tatitra avy amin’ireo olona manodidina, dia nisy olona nivezivezy teny amin’ny manodidina ny tokantrano ny harivan’io, nitady ilay raim-pianakaviana. Nentina notsaboina any Betroka ireo naratra, rehefa nahazo fitsaboana voalohany teny an-toerana. Ankehitriny dia mbola manohy ny fitsaboana izy ireo, indrindra fa ireo zaza tsy manan-tsiny izay notifirina tsy nananana antra. Etsy ankilan’izay dia mbola mizotra tanteraka any amin’ny fikarohana ireo mpanao ratsy sy ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ny fanadihadiana mandeha. Liana tanteraka amin’ity heloka bevava izay nitranga tao Isoanala ity ny olona any an-toerana satria nampivarahotsana ny zava-nitranga dia ny fitifirana izay rehetra tao an-trano, tsy an-kanavaka na zaza na olon-dehibe.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici