Trangam-piarahamonina tsy dia fahita firy izay nahavalalanina sy nahaontsa ny maro no niseho tao an-tampon-tanànan’i Betroka, afak’omaly misasaka alina, tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Zazavavikely menavava iray vao teraka no nisy nanary tao anaty lavapiringan’ olona, tao amin’ny fokontany Tanambao. Ny kiakiaka toman’ity zaza tsy manan-tsiny ity no nanaitra ny manodidina tamin’ny torimasony. Nivoaka ny trano ny ankamaroan’ny olona nijery ny zava-misy, ary niroso avy hatrany tamin’ny fanavotana ny ain’ilay zaza menavava, ary noentina teny amin’ny hopitaly nanadiovana ny maloto nameno ny vatany, natao fizaham-pahasalamana ihany koa. Indrisy fa omaly tamin’ny telo ora naraina, dia tsy tana ny ainy noho ny « hémorragie interne » vokatry ny fianjerany tany ambany WC izay tena nahavoa mafy azy tokoa, araka ny filazan’ny mpitsabo nandray an-tànana ny fitsaboana an’ity zazavavikely ity. Hatreto, raha ny vaovao farany voaray, dia mbola tsy fantatra ny renin’ity zaza sy izay olona nanary azy tao anaty kabone. Ny Polisim-pirenena any an-toerana moa no mandray an-tànana ny raharaha. Ary efa miroso amin’ny fanadihadiana lalina amin’izao amin’ny fikarohana ny ireo nahavanon-doza.
Eric Manitrisa