- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Dadarabe maty voatifitra

Betsiboka : Dadarabe maty voatifitra

Tsy nahomby angamba ny fahitàn’ity mpilalao ody ratsy ity. Tsy nampoiziny ny fahatongavan’ny zandary tao an-tranony mba hisambotra azy. Mbola teo am-pikirakirana ireo tapa-kazo mihitsy ilay olona no niditra tampoka ny mpitandro ny filaminana izay efa nanara-maso ela ny jiolahy roa. Niditra tao amin’io dadarabe io ireo olon-dratsy mba haka ody gasy. Teo no tapaka ny hevitra ny amin’ny hanamborana azy ireo. Ary dia samy azo sambo-belona izy roalahy raha nitsoaka kosa ilay dadarabe ka voatery nampiasàna basy ka lavo. Io farany no voalaza ho mpamatsy ody gasy ny jiolahy maro, isan’izany ny ody bala. Toa nandaitra tamin’ny tenany anefa ary nitarika ny fahafatesany ny balan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ity tranga ity. Toa manaporofo izany fa miendrika fisolokiana koa itony filalaobana ody gasy itony any amin’ny faritra sasany.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici