- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka - Fikambanana " SA.FA.MA : Hiara-hiasa ho an’ny fanabeazana momba ny tontolo...

Betsiboka – Fikambanana  » SA.FA.MA : Hiara-hiasa ho an’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana

Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa  » Fifaninanana Sekolinay Madio  » ny fikambanana SA.FA.MA na Sampana Fandiovana Maharitra eto Maevatanàna an-tapon-tanàna. Nisy hatrany ny fanamafisana fiahara-miasa, izay niaraha-nanao sonia teo amin’ny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy, ary ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Betsiboka, izay miompana bebe kokoa amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana, eny amin’ireo sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Notontosaina ny Alarobia faha 13 May taona 2026, tokony tamin’ny 6 ora hariva tany ho any, tao amin’ny birao fiasan’ny fanabeazam-pirenena aty an-toerana ny lanonana fanaovan-tsonia, teo amin’ny telo tonta.Talohan’izao hetsika voalaza etsy aloha izao, dia nisy ny fifanakalozan-kevitra sy fampahafantarana ny tetikasa « Fifaninanana Sekolinay Madio « sy ny fankalazana ny andro maneran-tany, ho an’ny tontolo iainana (JME). Anisan’ny mifotra amin’ny fanentanana ireo ankizy mpianatra amin’ny tetikasa  » Sekolinay Madio  » ny SA.FA.MA no mampirisika azy ireo mba tsy hanary fako eny rehetra eny, fa hatokana ao anaty dabam-pako misy ao an-tsekoly, na ihany koa ny toerana ahitana izany eny anivon’ny fiarahamonina, izay mampianatra ny fahadiovana sy ny fidiovana amin’ny ankapobeny. Ny tanjona tian’ny fikambanana SA.FA.MA ho tratrarina eto, raha ny fanazavan-dRamatoa Razafindraibe Brillante de l’Argine, izay filoha mpitarika izany, dia hanampy ny sekoly sy ny mpampianatra amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana, satria ny tanora sy ny ankizy no manana anjara toerana lehibe, ka hatomboka amin’izy ireo ny fanovana toe-tsaina na ( Changement de Comportement.) Heverina, fa raha tafita amin’ireo zanantsika ny fanabeazana ara-tontolo iainana, dia izy ireo indray no hampita amin’ny Ray aman-dreniny tsirairay, toy ny hoe: Azo ahodina ho plastika sy zezika ny fako.Tsy mijanona hatreo ny hetsika ataon’ny fikambanana, fa mbola hanohy hatrany ny tetikasa ho 2ème édition, amin’ny taona ho avy. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa nanomboka tamin’ny volana Febroary taona 2026 teo ny hetsika fifaninanana hazoana loka amin’ny tetikasa  » Sekolinay Madio.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici