- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Hapetraka amin'ny fomba ofisialy ny datin'ny Sabotsy faha 18 Jolay...

Betsiboka : Hapetraka amin’ny fomba ofisialy ny datin’ny Sabotsy faha 18 Jolay 2026 ny filohan’ny fikambanana Terak’Androy

Hotanterahana ao amin’ny « Espace Tiana Royal », ny datin’ny Sabotsy faha 18 Jolay taona 2026 ho avy izao, amin’ny 09 ora maraina, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoha nasionalin’ny fikambanan’ny Terak’Androy, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Hiban-toerana mandritra izany ny dihy nentim-paharazana avy any amin’iny faritra atsimo andrefan’i Madagasikara iny. Ahitana ireo mpanakanto zanaky ny faritra Androy ihany koa ny hanafana ny sehatra ara-javakanto amin’ny fametrahana an’Atoa LUDOVIC Tsiatsify, filohan’ny fikambanana Terak’Androy aty an-toerana. Noho izany, dia manasa ireo olona avy any amin’ny faritra Androy, monina ato anatin’ny faritra Betsiboka, hanatrika ny lanonana tsy manam-paharoa ny ekipa mandrafitra ny birao, mba ho tonga manoloana izany. Hofaranana amin’ny lalam-pihavanana mitam-pihavanana ny hetsika rehetra misy.
Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici