Misy faritra maro azo sokajiana ho mena ato amin’ny faritra Betsiboka amin’ny resaka fakana an-keriny. Isan’izany ny any Tsaratanàna sy Ambodimanga Betsiboka. Tsy kisendrasendra akory matoa misy jiolahy hatrany manafika any amin’ireo faritra roa voalaza etsy ambony ireo na antoandro na alina. Tao anatin’izay telo volana izay lasa dia intelo nisesy niharan’ny fakana an-keriny ny tany Tsaratanàna. Ohatra iray amin’izany ilay fakana an-keriny an’ilay rangahy mpandraharaha ao amin’ny kaominina Andriamena tamin’ny volana jona lasa teo. Ny roa hafa dia mpiasan’ny “Kraoma” sy zanaka mpandraraha nokasain’ny jiolahy nalaina an-keriny. Ny fahefatra dia niseho tamin’ny volana aogositra lasa teo, tany Ambodimanga Betsiboka. Amin’ireto tranga ireto dia saika ao amin’’ny kaominina Andriamena sy Breville avokoa ireo olona nalain’ny jiolahy an-keriny ireo. Rahonana hotifirina na angalana vola ny havan’izy ireo. Rehefa nanontaniana ny mpitandro ny filaminana dia nilaza, fa tsy fifanandrifian-javatra ireny tranga ireny. Efa mandray fepetra manokana ireto farany ho fanamafisana tsara ny fiambenana ny lalana sy ny kizo any amin’iny faritra iny. Ohatra. Teny Andriamena ny 29 jona lasa teo dia rangahy efa nahazo taona, izay mpandraraha any an-toerana, no nalain’ny jiolahy an-keriny, ka nahazoan’ireo vola mitentina 40 tapitrisa ariary vao navotsotra. Tranga hafa. Raha hiverenana ilay tamin’ny volana jolay lasa teo, dia mpiasan’ny “ Kraoma” efa-dahy nanao lalana no nalaina an-keriny. Tsy votsotra izy efa-dahy raha tsy naloa ilay volabe notakian’ireo mpaka an-keriny. Zanaka mpandraraha iray tany amin’ny kaominina Breville ihany koa no nisy naka an-keriny ka nahazoana 50 tapitrisa ariary ny ray aman-dreniny. Isan’ny lasibatr’izay fakana an-keriny izany ihany koa ilay Rtoa Lalaina mpandraraha, vao haingana no nisy naka an-keriny tao am-pivarotany ny tenany. Tapa-bolana lasa izay tokony ho tamin’ny 08 ora teo ho eo. Tao amin’ny fokontany Ambodimanga Betsiboka, ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, no nitrangan’izany asa ratsy izany. Miisa 15 ireo jiolahy mpaka an-keriny, ny telo tamin’ireo malaso moa nanao fanamina miaramila. Efatra andro taorian’izay vao navotsotra Rtoa Lalaina, rehefa nahazo vola be an-tapitrisany ireo jiolahy. Ankehitriny dia efa mandeha ny famotorana makasika ireo asa-ratsy ireo. Efa misy ihany ny olona voasambotra hatreto, saingy mpampiantrano sy mpanafina ary mpividy sakafo na fahana izy ireo, fa ireo olona tena nandray anjara nivantana kosa tsy mbola hita izay tena nalehany hatramin’izao. Mbola mitana ny sain’ny maro ny tohin’ny fikarohana ka andrasana eo ny vokany.
Ratantely