- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBETSIBOKA Maevatanàna tampon-tanàna : Mitsoa-ponenana ny mponina noho ny firongatry ny...

BETSIBOKA Maevatanàna tampon-tanàna : Mitsoa-ponenana ny mponina noho ny firongatry ny asan-dahalo

Vao tamin’ny 28 aogositra 2018 lasa teo iny no nitrangana fanafihan-dahalo naharatrana olona iray tao amin’ny fokontany Ambodimadiro, kaominina Maevatanàna voalohany; voatsindron’ny antsin’ireo dahalo izy. Lasan’ireo tamin’izany ny entana izay zakany. Efa mandeha moa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon’ny Zandary sy ny  polisy aty an-toerana amin’izao. Araka ny vaovao voaray dia tena mahazo vahana mihitsy ny asan-dahalo eto Maevatanàna tampon-tanàna, ary tsy mitsitsy izy ireo fa tonga dia mamono. Efa olona efatra sahady no naratra vokatr’izany raha tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra no mankaty no asian-teny. Vokatr’izay dia zary lasa mandry an-driran’antsy sy mihorohoro tanteraka ny mponina noho ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity. Na ny omby na ny vokatry ny mponina mantsy dia ataon’ireo dahalo mahita faisana avokoa. Manoloana izany dia lasa miraviravy tanana tanteraka ny mponina , ary ao no mahavita mitsoa-ponenana na mandao ny akaniny mihitsy, satria sady matahotra ny ainy no tsy afaka hiaro akory ny fananany. Misy amin’izy ireo mamonjy ny fianakaviany any Antananarivo sy Mahajanga na any amin’ny faritra hafa. Raha ny fanazavana hatrany dia tena faritra mena ny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna raha ity fanafihan-dahalo ity. Manao andiany ireo dahalo rehefa manafika sady mirongo fiadiana mahery vaika. Efa manana tambajotra matanjaka ihany koa izy ireo ka efa jereny mialoha ny olona hotafihany. Tokony hojerena akaiky ihany ny trangan-javatra fa mijaly ny vahoaka.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici