Tontosa soa aman-tsara ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikona teo amin’ny lietina-kolonely Andrianatrena Ando Dinah kaomandy teo aloha sy ny kolonely RakotoHarivelo Deraintsoarimasy, kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Betsiboka vaovao. Ny famindram-pibaikona natao teo amin’ny kianjan’ny La Palace, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny Alakamisy faha 17 Septambra taona 2026 lasa iny, dia teo ambany fiahian’i Général de Division ZIPA Jean Hubert, sekretra jeneralin’ny minisitera delege misahana Zandarimariam-pirenena, ary teo ambany fitarihan’i Général de Brigade Faha Bienvenue, kaomandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria aty amin’ny faritanin’i Mahajanga. Andraikitra sy vaindoha-draharaha ny fiantohana ny fandriam-pahalemana maharitra ato anatin’ny faritra Betsiboka no hotohizana ny ezaka izay nataon’ny teo aloha. Eo ihany koa ny fanajana ny fitsim-pifehezana amin’ny fitandroana ny fiaraha-momina sy ny fampiharana ny lalàna velona, raha nambaran’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena an-kehitriny. Ary manentana ny vahoaka hatrany mba hanome loharanom-baovao ara-potoana hisorohana ny asa ratsy sy hamongorana ireo mpanao ratsy moa ny tenany. Tsy diso anjara tamin’ny fisaorana ny vahoaka sy ny mambran’ny OMC Betsiboka, ary ny mpitandro ny filaminana rehetra nandritra ny fotoana niasany taty amin’ny faritra ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Betsiboka teo aloha.
Ratantely


