- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Nanatanteraka fihaonambe tamin'ireo filoha mpitarika ny ekipa ho fanatsarana ny tontolon'ny...

Betsiboka : Nanatanteraka fihaonambe tamin’ireo filoha mpitarika ny ekipa ho fanatsarana ny tontolon’ny kitra ny mambaran’ny ligim-paritra

Ho fanatsarana ny sehatry ny baolina kitra, dia nanatanteraka dinidinika ambany tafon-trano tamin’ny alalan’ny fihaonambe fikatsam-bahaolana, hirosoana any amin’ny tsara kokoa, ny mambaran’ny ligim-paritry ny baolina kitra sy ireo filoha mpitarika ny ekipa avy any Tsaratanàna sy ny eto Maevatanàna, ary ny tompon’andraikitra misahana ny fitsofana ny kiriorioka eny ambonin’ny kianja. Tonga nanome voninahitra izany ny Sabotsy faha 23 Mai taona 2026 teo iny, tokony ho tamin’ny 10 ora marina tany ho any, ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara, voafidy tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, sy ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Betsiboka. Ny fihaonana nisy teto moa dia notarihin-dRamatoa Razafiarivelo Acheline, filohan’ny ligim-paritra Betsiboka. Anisan’ny votoatin-dresaka nandritra izany ny fampahafantarana ny fiadiana ny tompondakan’ny ligim-paritra Betsiboka, hanomboka ny 14 Jona ka hatramin’ny 21 Jona 2026, izay ahitana mpandray anjara miisa enina, ka ny efatra amin’izany dia ato amin’ny « Section Football Maevatanàna », raha ny roa kosa dia any amin’ny « Section Football Tsaratanàna ». Nisy hatrany ny fanaovan’ireo mambaran’ny ligim-paritra jeritodika tamin’ny taon-dasa, ny hezaka vita, toy ny famoahana mpilalao iray lasa nanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Malagasy latsaky ny 17 taona, ary ny nahazoan’i Betsiboka mpitsara baolina kitra roa, nandeha nitsara lalao nandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara farany teo iny, tany Port-Bergé. Eto am-pamaranana lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa lela-bola : iray tapitrisa Ariary ny amboara azon’ireo ekipa mivoaka mpandresy amin’ity taom-pilalaovana 2026 ity, ary 200 000 Ariary kosa ny an’ny ekipa faharoa, ka resy mandritra ny lalao famaranana eny amin’ny kianjan’ny Mandanikapa. Nofaranana tamin’ny fanolorana baolina kitra ho an’ny ekipa sy fanomezana fanamiana, kiriorioka, harato an’ireo mpitsara ny lanonana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici