- Publicité -
jeudi, septembre 24, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Polisy 11 mianadahy nametrahana galona

Betsiboka : Polisy 11 mianadahy nametrahana galona

Notanterahana ny Tatala teo, tao amin’ny kianjan’ny La Palace Andranomangatsiaka, ato amin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, tokon’ny tamin’ny 10 ora maraina ny fametrahana galona vaovao ho an’ireo polisy miisa 11 mianadahy, miasa ato anatin’ny fitaliavam-paritry ny filaminam-bahoaka Betsiboka. Nakarina ho laharam-boninahitra: << Inspecteur de Police 1er Classe 3em Echelon: 1. 1 er Classe 2 em Echelon: 2. 2 em Classe 2 Echelon : 1. Nakarina  » Brigadier de Police 1 er Echelon: 1. Nasondrotra  » Agent de Police 1 er Échelon: ny enina miandahy tamin’izany. Niarahaba azy ireo ny Tale misahana ny maha olona eo anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka sy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka aty an-toerana sy ny tompon’andraikim-panjakana maro isan-tsokajiny. Nanamafy tamin’ny fitondrana hafatra azy ireo ny  » Commissaire Principal de Police RABELOMANANA Grimond, talem-paritry ny filaminam-bahoaka ato anatin’ny faritra Betsiboka rehefa nitafa tamin’ny mpanao gazety nanao hoe: Tsy voninahitra fotsiny hoy izy ny galona, fa adidy lehibe. Satria ireto farany no fitaritra ho an’ny mpiara-miasa sy ny vahoaka amin’ny fitondran-tena. Taorian’izay dia nanamafy hatrany ny lehiben’ny faritra Betsiboka ny amin’ny asa iantsorian’ny polisy, izay manao ny aina tsy ho zavatra amin’ny fitandroana ny fialaminana no mety hisy ihany koa ny fankasitrahana ny mpitandro ny filaminana manao ny hezaka amin’ny fitandronana ny filaminam-bahoaka sy ady atao hamongorana ny ratsy.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici