- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
AccueilRégionsBetsiboka : Tao amin'ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Antanimbary no ivon'ny fankalazana...

Betsiboka : Tao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Antanimbary no ivon’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora

Tontolo samihafa, hetaheta iombonana no lohahevitra noentina nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, tamin’ity taona 2026 ity.  » Ny Zoma sy Sabotsy faha 29 Aogositra taona 2026 teo no nanatanterahana ny hetsika fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, tao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, sady ivon’ny fankalazana taty amin’ny faritra Betsiboka, notarihin’ny ekipa mpiara-miasa eo anivon’ny fitaliavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ny préfetn’i Maevatanàna no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, izay nontronon’ireo tompon’andraikim-panjakana maro samy hafa, toy ny lehiben’ny faritra Betsiboka sy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, ary ireo talem-paritra ato amin’ny renivohitry ny faritra. Taorian’iny fandraisam-pitenana, dia nijery ny fampiratiana ireo trano eva, ny tompon’andrakitra voalaza etsy ambony. Nitohy tamin’ny famelabelaran-kevitra mikasika ny tranga mety hisian’ny herisetra eo amin’ny maha lahy sy maha vavy ho an’ny tolakandron’ny Zoma ny lanonana fankalazana tao amin’ny » EPP Antanimbary  » niarahana tamin’ireo tanora, izay nentanin’ny mpitsara tompon’andrakitra eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Maevatanàna. Nikatona tamin’ny alalan’ny fampiofanana maimaimpoana amin’ny fanamboarana mofy mamy, nokarakarain’ny eo anivon’ny fitaliavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Betsiboka ny hetsika nisy nandritra ny fankalazana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici