- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Tontosa ny fikaonandohan'ny firaisamonim-pirenena

Betsiboka : Tontosa ny fikaonandohan’ny firaisamonim-pirenena

Navitrika tokoa ireo mpandray anjara avy amin’ny firaisamonim-pirenena, izay nahitana solontena amin’ireo disitrika telo ato anatin’ny faritra Betsiboka: Maevatanàna, Tsaratanàna, Kandreho nandritra ny telo andro nisesy nanomboka tamin’ny datin’ny faha: 20-21-22 Jolay taona 2026 lasa teo iny, tao amin’ny efitranom-pivorian’ny  » idealy parc  » Anosikely Atsimo, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, tamin’ny alalan’ny fikaonandoham-paritra natao. Namoaka ireo hetaheta, vahaolana sy ny vinan’ny faritra ny mpandray anjara mba ho an’ny fanarenana sy fanaovazana ny firenena, indrindra ny fifampizarana anatin’ny sehatry ny famoahana ny olana maharary any amin’ny tanàna misy azy avy. Ny hananan’ny firaisamonim-pirenena vina iray, hamaritra ireo laharam-pahamehana hampandrosoana ny eto amin’ny tany sy ny firenena Malagasy no tanjona amin’ny fikaonandoham-paritra.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici