- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBianco Mahajanga : Vola 300 tapitrisa mahery no tsy hita tao amin’ny...

Bianco Mahajanga : Vola 300 tapitrisa mahery no tsy hita tao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina

Hatramin’ny taona 2013 no niseho io olana io, rehefa nanao fitsirihana tao amin’ny kaominina tamin’ny taon-dasa teo ireo tompon’andraikitra avy any amin’ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana. Fantatra fa vola 300 tapitrisa no tsy hita tao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Rehefa hita ny fahabangana dia nandeha avy hatrany ny fitoriana nataon’izy ireo ary nitohy hatrany amin’ny fampandehanana ny raharaha teny amin’ny Bianco. Taorin’ny fanadihadian’ity farany kosa no nahavoarohirohy ireo mpiasan’ny kaominina « percepteur » sy « regisseur » miisa 7 niampy ny mpiasan’ny trésor « comptable » iray. Ny efatra tamin’izy ireo izay nampidirina teny amin’ny fonja avy hatrany ny Alakamisy lasa teo. Io indrindra no niteraka fitokonana izay nataon’ireo mpiasa ny trésor hatramin’io alakamisy hariva teo. Nanakatom-baravarana avy hatrany izy ireo hatramin’ny zoma tontolo raha vao naheno ilay tranga.  Nanotrona ny namany teny amin’ny fonja hatramin’ny fanarahana azy teny amin’ny fitsarana ambony ny marainan’ny zoma.

Omaly tokoa mantsy no natao ny fihenoana ireo voapanga rehetra nanoloana ny fitsarana. Izy ireo izay volaza fa nanodinkodina io vola-panjakana mitentina 249.754.000 Ar io. Teo koa ny fanaovana hosoka sy ny fampiasana hosoka. Nandà hatramin’ny farany izy ireo tamin’ny fiapangana azy. Ny lehibe no manao antsirambina hoy izy ireo izahay madinika hatrany no tratran’ny tsindry hazo lena sy atao haza lambo. Ireo mpisolovava azy ireo raha teo nanipika fa fitantanana tsy mety no nahatonga izao olana izao na « mauvaise gestion » ka tsy misy « responsabilité pénal » ary tsy misy heloka.

Nivoka ny didy taorian’io. Nafahana noho ny fisalasalana izy rehetra afa-tsy ilay ramatoa lehiben’izy ireo izay « regisseur » ao amin’ny kaominina ihany teo aloha antsoina hoe Noro Soarilalao Odette. Izy moa izay tsy tonga nanatrika ny fitsarana nefa voapanga 5 taona hanao asa an-terivozona ary namoahana didy fampisamborana. Raha ny feo re dia efa voatana teny am-ponja io ramatoa io mahakasika ity raharaha ity volana vitsy lasa izay. Nangataka fahafahana vonjimaika izy ka nahazo ary avy hatrany dia nitsaoka nankany frantsa.

Miantona hatreo araka izany aloha ity raharaha ity. Inoana fa hitondra anatra sy fanitsiana ho an’ireo mpiasa hafa. Antenaina koa anefa fa, hiteraka fanadihadiana vaovao amin’ireo fampidiram-bola tsy araka ny tokony ho izy ao amin’io kitampom-bolan’ny kaominina io. Mariana mantsy fa io hatrany no lazaina fa mampikatso ny fampihodinana sy ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa rehetra.

Tantely Vandriam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici