- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBiby nanaikitra mpianatra : Noravana aloha ny sekoly omaly

Biby nanaikitra mpianatra : Noravana aloha ny sekoly omaly

Tena misy sa tsaho ? Mihanaka vetivety tokoa mantsy ilay resaka biby hafahafa voalaza fa manaikitra olona eto an-drenivohitra. Nanomboka teny Ankadifotsy ny filazana ho fahitana ity biby, izay tsy mbola fantatra mihitsy ity, ary dia nitranga tsikelikely tato anatin’ny herinandro vitsy izay, ireo olona mijoro vavolombelona ny amin’ny fisiany. Ao mihitsy ireo tsy vitan’ny nahita fotsiny fa efa voakaikitra mihitsy. Eo anatrehan’izay savorovoro isan-karazany izay dia nanapa-kevitra ny sekoly eny amin’iny faritra Manjakaray iny ny mba hampirava aloha ireo mpianatra ao aminy : raha tokony ho amin’ny enina dia naroso amin’ny dimy ora sy sasany hariva. Araka ny loharanom-baovao mantsy dia toa hoe nisy mpianatra iray tao amin’io sekoly io efa nifanehatra ary nokaikerin’ilay biby tsy fantatra raha iny izy sendra tratra alina nirava nianatra iny. Ny fangatahan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra taorian’izay no antony nandraisan’ity sekoly ity io fepetra io. Filazan’ireo mponina eny Manjakaray hatrany fa raha vao manomboka ho maizina ny andro dia mivoaka ilay biby.

Ankoatra izay, hita miely eran’ireo tambajotra sosialy ihany koa ny dika mitovy tamina taratasy nambara fa nalefan’ny sefo fokontany eny amin’ny faritra Ambatobe ho an’ny « Sefo distrikan’ny Tana V », milaza ny fisiana olona telo voakaikitra biby hafahafa. « Efa nisy olona telo (3) nahazoana taratasy avy amin’ny mpitsabo fa voakaikitry ny biby ary nandalo fitsaboana tao aminy ». Mitovy avokoa ny fisehoan’ny ratra eny amin’ireto olona ireto, raha ny voarakitra ao amin’ilay taratasy, satria « dia voakaikitra sy voarangotra eo amin’ny tanany sy ny tratrany». « Biby lehibe kokoa noho ny saka, voloina be, lava sofina, lava rambo ary mitsambikimbina » ny endrik’ireo biby io, raha ny voasoratra ao anatin’ilay taratasy hatrany. Hatreto dia mbola mampametra-panontaniana ny maro tokoa ny mety ho fisiana na tsy fisian’ity biby hafahafa, mampihorohoro eto an-drenivohitra ity. Ireo mpitandro filaminana, raha nanontaniana, dia nilaza mazava fa tsy afaka hanamarina na tsia ny fisian’izany. « Misy mpitandro filaminana foana manao fisafoana eny amin’ireny faritra ireny, saingy hatramin’izao aloha mbola tsy nisy tatitra azo, mahakasika ity trangan-javatra ity », hoy ny fanazavana azo avy amin’izy ireo. Tsy vao izao no misy tranga toa iniana hampikorontanana saim-bahoaka toy izao nitranga teto an-drenivohitra. Samy nahatadidy avokoa angamba ny rehetra ny amin’ilay resaka « bois rond misy fantsika » teo aloha teo, izay toa tsy hita akory izay tena marina mahakasika izany. Dia mety ho toa izany ihany koa ity resaka biby voloina be ity ?

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici