
Lalao ara panatanjahan-tena baskel ball nampitondraina ny anarana hoe BIM na Basket Inter Milieu Scolaire no hotontosaina eto Antsirabe, hanomboka ny voalohan’ny volana May ho avy izao. Ny Events Play no mpikarakara, tsy vao sambany akory no hisy lalao basket ball hifaninanan’ny sekoly tahaka izao eto Antsirabe fa efa an-taonany maro. Ankoatra ny hoe fitazaina tanora eo amin’ny lafiny fanatanjahan-tena dia isan’ny tanjon’ny ity BIM ity ny fitiliana ireo ankizy havanana amin’ny basket ball na lahy na vavy izany. Fantatra fa filohana klioba maro no hanatrika ny hetsika ary samy manana ny tanjony izy ireny indrindra ny fitiliana ireo ankizy havanana sy manan-talenta amin’ny fanatanjahan-tena. Efa maro rahateo ireo tanora avy eto Antsiraba no lasa alavitra eny fa hatrany ampitan-dranomasina tamin’ny alalan’ny fifaninana tahaka izao. « Basket Inter lycées », sy « inter universitaire » no hatao , izany hoe mpianatra avy amin’ny sekoly ihany no afaka handray anjara. Ho mafy ny fitsipika indrindra ny fitsipika anatiny, mpitsara federaly no hitsana ny lalao rehetra ka tsy atahorana ny mety hitrangan’ny olana eo am-pilalaovana. Ankaotra ny hetsika ara-panatanjahan-tena dia hiseho amin’ny endrika maro loko ihany koa ny fanentanana ara kolotsaina isan-karazany. Hisy « concours cheerleaders inter établissement » ny fifaninana mandihy isaky ny sekoly sy fifananinanan’ny mpianatra izay ho tsara tarehy lasy vavy, ary fifananinana maro ho an’ireo mpanohana. Haharitra iray volana ny fifanintsanana, ao amin’ny sekoly St Josephe no hanatontosana azy izaky ny week-end hanomboka ny voalohan’ny volana May ho avy izao.
Andry N.


