- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBizina rongony : Vehivavy lehibe anankiroa tratra ambodiomby

Bizina rongony : Vehivavy lehibe anankiroa tratra ambodiomby

Tsarafono ny rongony.

Anisan’ny raisin’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ao anatin’izany ny rongony. Ny alakamisy lasa teo, mpibizina rongony anankiroa indray ny voasambotry ny pôlisin’ny Stup, teny amin’iny faritra Ambohidrapeto sy Soavimasoandro iny. Samy vehivavy efa lehibe ihany izy ireo, manodidina ny dimampolo taona latsaka eo avokoa ary vao amam-bolana ihany no nirotsahany teo amin’izany asa ratsy izany. Tena mandeha ny tsena satria mahalafo eo amin’ny 10 fonosana isan’andro eo izy roa vavy ireto, raha ny vaovao azo hatrany. « Fantatry ireo Polisy ny fisian‘olona mivarotra sy mamatsy rongony iny faritra iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ireo izy ireo, nidina teny an-toerana nanao ny fanaraha-maso ka sarona teo ampivarotana rongony teny akaikin‘ny fiangonana ny vehivavy iray 45 taona ». Ho an’ilay tetsy Ambohidrapeto. Marihana fa mbola nahitàna rongony 14 fonosana tao aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Raha ilay iray tetsy Soavimasoandro indray, « nisy loharanom-baovao voaray fa misy olona mivarotra rongony iny toerana iny. Natao ny vela-pandrika sy ny fanaraha-maso ka tratra ambody omby teo am-pamarotana izy » raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany. Notanana avy hatrany natao andrimaso eny Anosy moa izy ireto ho amin’ny famotorana azy ireo ary natolotra ny Fampanoavana omaly.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici