- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-Divers« Bois rond » : Lehilahy iray mbola tsy mahatsiaro tena

« Bois rond » : Lehilahy iray mbola tsy mahatsiaro tena

Nodarohan’ny jiolahy tamin’ny « bois rond » tetsy Ambohipo-Ampahateza, mbola tsy mahatsiaro tena ny lehilahy iray vokatr’izany. Tsaboina eny amin’ny hopitaly izy hatramin’ny omaly. Avy nametraka ny fiarany teo amin’ny « parking » mahazatra izy, amin’ny alina tokony ho amin’ny sivy ora, no nisy lehilahy maromaro nively tamin’ny hazo teo amin’ny lohany. Tsy voatery hoe « bois rond » ilay hazo fa kosa lasa fomba hamantarana ny fanafihana avy amin’ny fivelesana hazo ny olona io fiteny io. Torana tsy nahatsiaro tena izy nanomboka teo ary nanjavona tao anatin’ny fanahafihana azy ny entan-kely saika entina nody sy ny kojakoja fampiasa toa ny finday. Feno mpifoka rongony eny an-toerana ary izay no antony iray mitarika ny fiverimberenan’ny asa fanendahana. Nisy hatrany ny olona naratra satria tena mifofo aina ireo olon-dratsy ao anatin’ny fanendahana izay hataony. Lasa faritra mena ho an’ny mpivezivezy ilay toerana noho izany laza ratsiny izany…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici