- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversBongatsara Atsimondrano : Mpitondra vola nisy nanafika

Bongatsara Atsimondrano : Mpitondra vola nisy nanafika

Vola mitentina eo amin’ny 10 tapitrisa ariary mahery, voalaza fa saika handoavana karaman’ny mpiasa no lasan’ny jiolahy tetsy amin’ny kaominina Bongatsara ny talata lasa teo. Soa ihany anefa fa niray hina ireo fokonolona nanenjika ireo mpangalatra ka nisy iray voasambotra. Telo lahy ireo olon-dratsy raha ny vaovao azo, ary efa niandry fotsiny ilay olona avy naka vola teny an-toerana. Vantany vao nivoaka ny toerana fakàna vola ity farany dia narahin’ireto telolahy ireto, ka nosintomin’izy ireo an-keriny ilay kitapo nisy ny vola teny an-tanan’ity mpitondra vola ity. Nitsoaka avy hatrany izy ireo taorian’izay. Mailaka kosa tetsy an-danin’izay ny fiantsoan’ilay voaendaka vonjy ka nirohotra nanenjika ireo nanatri-maso. Tsy lasa lavitra akory ny iray tamin’ireo mpanendaka ireto, dia tra-tehaka. Ilay nitondra ilay sakaosy nisy vola ity voasambotra ity, raha ny vaovao. Ireo namany kosa tafaporitsaka ihany. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana teny an-toerana moa ranamana ary teny no nosavaina ilay sakaosy. Ary soa ihany fa mbola tao avokoa ny vola rehetra. Notanana avy hatrany moa ity farany. Efa mandeha kosa ny famotorana azy, hitadiavana ireo namany tafatsoaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici