- Publicité SW45 -
samedi, mai 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBongatsara : Nitsoaka ny jiolahy mitam-basy rehefa nanohitra ny olona

Bongatsara : Nitsoaka ny jiolahy mitam-basy rehefa nanohitra ny olona

Zatra ny lalan-dririnina loatra ka nieritreritra fa rehefa misy basy dia tsy maintsy vita hatrany ny fanafihana. Valo lahy no tonga tao amin’ny tokantrano iray tao ambanivohitr’i Bongatsara ary nanafika. Nambanana basy ny tompon-trano ary noterena hanome ny vola rehetra izay misy. Lasa ny enina tapitrisa Ariary teo. Saingy mbola tsy nahafa-po azy valo lahy izany fa saika hotateriny hatramin’ny entana tao an-trano. Nisy manodidina nahatsikaritra anefa io fanafihana io ary na tao anatin’ny haizina aza dia vetivety dia nifampitaona ny fokonolona. Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia nivoaka ny vatan-dehilahy maro ary nanatona ny tokantrano voatafika. Raiki-tahotra ireo jiolahy ary nanao tari-dosotra niala haingana teo an-toerana. Noezahina narahina ihany saingy mailo ny olona noho ny fisian’ny basy ka tsy afaka nanakaiky loatra. Mbola tsy nahitam-bokany aloha hatreto ny fikarohana ireo olon-dratsy ary mbola mifantoka amin’ny famantarana azy ireo ny fanadihadiana. Ny tranga toy izao dia isan’ny mbola manaporofo fa ilaina ny andrimasom-pokonolona, indrindra amin’ny toerana lavitry ny mpitandro ny filaminana. Ny olana koa anefa dia indraindray lasa misy mampifangaro ny tenany amin’ny manampahefana ny olona ao anatin’izy ireny ary lasa manindry etsy sy eroa na koa mitarika fitsaram-bahoaka. Mbola olana hafa izay mila atrehina izany, indrindra mahakasika ny fitsinjaram-pahefana. Ny zava-misy aloha dia tsy misy afa-tsy ny vahoaka ihany no afaka mifampiaro voalohany any amin’ny tany lavitra andriana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici