Mihoatra ny loha tanteraka ny ataon’ny dahalo ankehitriny. Nalaina ny omby, nodorana ny trano ary nentina natao takalonaina ny vehivavy iray. Tao amin’ny fokontany Talata Miarinarivo, eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Tsiroanomandidy, no nitrangan’izany ny andron’ny zoma teo.
Niezaka nanao fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona, kanefa very ny dian’omby rehefa teo amin’ny fizaran-tanin’ny faritra roa, dia Menabe sy Bongolava izany. Niveri-maina ireo olona maro mba niezaka ny nanatratra ireo dahalo. Na izany aza, dia nisy anarana maromaro efa azon’ny zandary momba ireo andian-dahalo ireo ary efa naparitaka eran’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana . Miova tanteraka ny fisehon’ny asan-dahalo ankehitriny. Ara-tantara dia tsy mba nisy herisetra izany, satria ny omby fotsiny no nalaina. Noraisina ho toa kolontsaina aza izany ary toa nekena ny fisiany teo amin’ny fiarahamonina samihafa. Nisy koa ny fomban-tany izay tsy mandray ny tanora ho lehilahy raha tsy nandalo tamin’ny halatr’omby. Saingy tsy izany intsony no mitranga ankehitriny : lasa vono olona, takalonaina ary heloka bevava no isehoan’ny asan-dahalo. Raha ny fijery azy, dia nanomboka tamin’ny fisian’ny fanondranana omby an-tsokosoko no nirongatra ny asan-dahalo ary lasa feno herisetra. Isan’ny olana lehibe sedrain’ny firenena izany, satria tsy voafehy intsony ny fanafihana tanàna any ambanivolo any noho ny halatr’omby. Miteraka fifankahalana sy horohoro ary tsy misy andro iray intsony tsy hisian’io karazana heloka bevava io.
D.R