Botry kely iray no niharan-doza teny an-dranomasina tany amin’iny distrikan’ Analalava. Olona roa no namoy avy hatrany tao anatin’izany loza izany, raha olona 11 kosa no mbola tsy hita tamin’io fotoana io. Nitohy hatrany ny fikarohana ka fantatra hatreto, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny zandary any an-toerana efa nisy sivy tamin’ireo 11 ireo no efa hita ny vatana mangatsiakany. Mbola misy vatana mangatsiakan’olona efatra araka izany tsy hita hatreto, raha ny vaovao hatrany.
Tsiahivina fa ny alahady lasa teo no rendrika ity botry ity, izay nitondra olona 21 niaraka tamin’ny entana, tao amin’ny « helo-dranon’i Narindra », manelanelana an’Ambatobe Sohihy, fokontany Nosy Lava sy Nosy Faho, Analalava, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany. Raha ny vaovao azo, dia « nitondra mpilalao baolina izy io avy ao Komajara, kaominina Antonibe ary nikasa ho any Marotaolana ihany, saingy tratry ny tafio-drivotra mahery tampoka ka rendrika ». Miezaka mitady ireo mbola tsy hita ny mpitandro filaminana sy mpamonjy voina ary ny fokonolona any an-toerana. Nanamafy hatrany moa ireo tompon’andraikitra, fa tokony « hiandry ny toetr’andro hitony vao manohy ny dia raha vao vantany hita fa ratsy ny andro. Ary harahi-maso izany miaraka amin’ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fifamoivoizana an-dranomasina »
m.L