Tra-doza ny fiara Sprinter nitondra ny Tarika Tence Mena, tokony ho 15 km tsy hiditra an’i Brickaville ny zoma teo, raha ndeha hanatanteraka lanonana Saint Valentin any amin’ny Calypso Toamasina ny harivan’io. Tsy nisy ny aina nafoy fa nisy mpihira iray naratra mafy nentina tany amin’ny vonjy aina ao Brickaville. Tsy fantatra mazava izay tena nahatonga ny loza, raha ny fanazavana. Somary malama ny lalana amin’iny lalam-pirenena faharoa iny noho ny oran’andro. Mety nandeha mafy ny fiara noho ny fanenjehana fotoana ka niharan-doza. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana ary nandefa ny naratra nihazo ny toeram-pitsaboana. Tranga mitovitovy amin’izy ity ihany koa no nitranga tany amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Fiara Spinter iray no nivadika noho ny fandehanana mafy tamin’izany. Tsy nisy ny maty fa nisy kosa ny naratra tamin’izany loza izany.
Trano an’ny « croix rouge » any Carion Manjakandriana no potika tantetraka vokatry ny fandonan’ny kamiao lehibe iray azy io. Ireny kamiao lava ireny no namantana tany amin’ilay trano io. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’ity loza ity. Ao anatin’ny fotoanan’ny orana izao, malama ny arabe, indrindra amin’ny lalam-pirenena ka samy tokony hitandrina ny rehetra, na fiara be na fiara kely. Mety hamoizana aina ny lozam-pifamoivoizana, ka tompon’andraikitra amin’ny fiara na moto entiny ny rehetra.
Yv Sam